<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>O! mandrosoa mba ho tena mpandresy FFPM643</title>
<lyrics>[V1]
 O ! mandrosoa mba ho tena
 mpandresy,
 Dia mazotoa, miasà,
 mitomboa
 // Raiso ny tsara, ka roahy
 ny ratsy
 Ka matokia an'i Jeso tokoa //

[V2]
 O ! mandrese, ny finoana tano,
 Na dia mafana ny ady hatao,
 // Ny fandresena homena ny
 mino
 Azy ny herin'ny Tompo izao //

[V3]
 Mba matokia ny hery tsy hita
 Izay voatahirin'ny Ray
 ho anao,
 // Ka voatolotra tao Gologota
 Mba ho antsika rehetra izao //</lyrics>
<hymn_number>643</hymn_number>
</song>